<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Iza moa ireo mitsangana FFPM681</title>
<lyrics>[V1]
 Iza moa ireo mitsangana
 Arý an-koatra arý ?
 Ny seza fiandrianana
 No eo anilany,
 Haleloia, mihobia !
 Fa Mpandresy izy e !
 Ka mitana ny rofia,
 Voninahi-dehibe.

[V2]
 Fahorina mafy loatra
 No nentin'izy ireo,
 Kanefa tsy nitsoaka
 Nijaly fa tsy leo,
 Famonjena firenena
 Ady masina tokoa,
 Nanolorany ny tena
 Ho mpitory &quot;Teny Soa&quot;.

[V3]
 O ! ry mponina ao an-danitra
 Anjely marobe,
 Omeo voninahitra
 Ny maritiora e !
 Ilay Kanana soa tokoa
 No fonenany izao
 Hetaheta, sanatria
 Tsy haninona azy ao.

[V4]
 Mba avia, ry olom-belona
 Avia, ankalazao
 Ilay maty nefa velona,
 Jesosy Tomponao.
 Dera, laza atolotray
 Haleloia, haleloia !
 Ho Anao, Mpanjakanay,
 Ho Anao, doria doria.</lyrics>
<hymn_number>681</hymn_number>
</song>